0% ont trouvé ce document utile (0 vote)
80 vues28 pages

Fambolena sy fikarakarana lezy

Technique de culture de litchi

Transféré par

Florent Raharinirina
Copyright
© All Rights Reserved
Nous prenons très au sérieux les droits relatifs au contenu. Si vous pensez qu’il s’agit de votre contenu, signalez une atteinte au droit d’auteur ici.
Formats disponibles
Téléchargez aux formats PDF, TXT ou lisez en ligne sur Scribd
0% ont trouvé ce document utile (0 vote)
80 vues28 pages

Fambolena sy fikarakarana lezy

Technique de culture de litchi

Transféré par

Florent Raharinirina
Copyright
© All Rights Reserved
Nous prenons très au sérieux les droits relatifs au contenu. Si vous pensez qu’il s’agit de votre contenu, signalez une atteinte au droit d’auteur ici.
Formats disponibles
Téléchargez aux formats PDF, TXT ou lisez en ligne sur Scribd

1

Birao Ifandraisan’ny Mpampiofana eo amin’ny Tontolon’ny Tantsaha


Tél: 020 22 604 04
E-mail: bim@[Link] Web: [Link].mg
2

Fizahan-takila
I. Fihaviany 3
II. Toetrandro 3
III. Fampiasana ny vokatra 3
IV. Masomboly 3
V. Tanimboly 6
VI. Fikarakarana ny tany 7
VII. Fanotofana (rebouchage) 9
VIII. Fambolena (Plantaon) 10
IX. Fikarakarana(entreen) 14
X. Fisangorana (récolte) 17
XI. Fitangozana (triage) 19
XII. Arena sy biby mpanimba voly 21
XIII. Vokatra (producvité) 24
XIV. Fotoam-pambolena 24
XV. Teknolojiam-panodinana sy fitahirizana 24
XVI. Kaonm-pamokarana 24
Anarana sianfika : Litchi sinensis sonnerat (Nephelium Litchi)
3
Famille : Sapindaceae

I- Fihaviany
Avy any Chine no niavian’ny lesy ka niparitaka manerana ny faritra Azia, Afrika atsinanana sy atsimo,
Madagasikara, Floride, Hawaï.
Ny lesy eto Madagasikara dia hita aty amin’ny morontsiraka atsinanana, izany hoe manomboka any
Sambava ka hatrany Fort-Dauphin. Tsy tena fantatra ny daty marina nidirany teto amin’ny faritra misy
antsika, fa ny fotoana nivelaran’ny tena fitrandrahana azy dia ny taona 1989. Ny bikany dia taho tokana,
maro sampana miraviravy, mivelatra mahatratra 9 ka hatramin’ny 15 metatra ny haavony raha voly nenm-
paharazana.
Ireto avy ny anarana fiantsoana sy ahafantarana azy eto amintsika:
- Laksi: Distrika Soanierana Ivongo
- Lantsi na lanty : Distrika Fénérive-Est sy Vavatenina
- Leksi : Distrika Mananara- Avaratra
- Lesy : ahafantarana azy manerana ny Nosy

II- Toetrandro

Manodidina ny 15° ka hatramin’ny 35° ny hafanana ilain’ny lesy.


Mitombo tsara izy any amin’ny faritra ahitana rotsakorana eo anelanelan’ny 2500 mm ka hatramin’ny 3500
mm isan-taona.

III- Fampiasana ny vokatra

Araka ny voalaza teo aloha dia nanomboka tamin’ny 1989 vao tena nivelatra ny fitrandrahana azy amin’ny
maha voly fanondrana azy. Talohan’izay dia nampiasaina tamin’ny ampahany betsaka mba hatao sakafo ny
voan’ny lesy. Anisan’izany ny fihinanana azy mivantana, ny fanaovana konfira, fanaovana zava-pisotro
(ranom-boakazo, toaka gasy, betsabetsa…). Ankoatra izany, omen’ny olona aty amin’ny faritra atsinanana ny
ankizy ihany koa ny lesy ho sandan’ny fanalana lagrifin-jirofo izy ireo. Toy izany koa rehefa mampiasa olona
mitavy na misango-bary na jirofo.
Azo omena mivantana biby fiompy koa ny lesy, ary ny vihiny (noyau) dia azo totoina hatao zezika satria
betsaka faosifaoro.

IV- Masomboly
Fomba roa no azo atao raha hamokatra zanaka lesy, dia ny fanaovana môsy sy ny fanaovana girefy amin’ny
hazo hafa. Ny fanaovana môsy anefa no tena mahazatra ny olona.
Koa satria saika manana fototra lesy ny isam-pianankaviana, dia samy manao ny môsy-ny daholo ny
mpamboly (85 % môsy volena), ny 4% dia avy amin’ny havana, ny 7% avy amin’ny manodidina ary ny 4%
ihany no vidina eny amin’ny mpamokatra masomboly.
4

1- Fanaovana môsy eny ambony hazo

Ny fitaovana ilaina
- Antsy kely maranitra
- Kitapo plaska mirefy 30 x 20 sm
- Tady vita amin’ny taretra 50 sm
- Savorinala miampy tany nalaina teo am-pototry ny hazo hanaovana
môsy, na vatan’akondro lo, hoditra voanio matoy
Ny fomba fanaovana môsy
- Mifidy fototra lesy efa namoa in-efatra fara
fahakeliny
- Azon’ny masoandro tsara ny taho akana azy,
ary taho efa avy namoa
- Mifidy taho mahitsy tsara, voasana ny
hoditra manaraka ny savaivony ka 2 -4 sm eo ho eo
ny haben’ny didy atao.(jereo sary n° 1)
Ny olona iray dia mahavita môsy 60 isan’andro.

Ny fotoana fanaovana azy

Ahitana fahombiazana ny fanaovana môsy raha


toa ka atao aorian’ny fiotazana, izany hoe amin’ny
volana janoary ka hatramin’ny volana jiona:
- Afatory mafy tsara ambanin’ny fery ny
plaska.
- Fenoina tany na savorinala mando eo
anelanelan’ny plaska sy ny taho
- Henjano ary fatory ny vavany ambon’ny
plaska. Lavadavao madinika ny plaska mba
idiran’ny ranon’orana. (jereo sary n°2)

Fotoana fivoahan’ny faka


Aorian’ny 1 volana nanaovana ny môsy no
manomboka ahitana ny fivoahan’ny faka. Mandritra
ny roa volana manaraka dia mitombo ny isan’ny faka
ary mameno ny fonosana plaska. (jereo sary n°3)
5

Fanapahana ny môsy Telo volana ao aorian’ny nanamboarana ny môsy


dia tokony efa ary tsara ny faka ka azo atomboka ny
fanapahana.
Toy izao no fanapahana ny môsy:
- Tapahina ny tendrony ambany amin’ny môsy,
kendrena ny mba hahazoana rantsan-kazo eo amin’ny
50 sm eo ho eon y halavany.
- Raha azo atao dia asiana ravina 2 na 3 eny
amin’ny lohan’ny môsy mba hisian’ny fiakaran’ny
tsirin-kazo.

2- Fikarakarana mialoha amin’ny fametrahana ny môsy ao anaty kitapo plaska

- Ny môsy voatapaka dia tsy maintsy volena ao anaty kitapo plaska misy tany masaka
mifangaro zezika sy fasika efa voaomana any amin’ny taninketsa;
- Ny harontany atao anan’ny kitapo plaska dia: ½ tany baiboho sy ½ zezika, afangaro tsara dia
asiana ody bibikely ITH (fatra: 20 g eo ho eo na tranon’afokasika iray, ho an’ny fangaro iray borety);
- Ny kitapo plaska fampiasa dia ireo mirefy 200 mm x 300 mm (2 litatra) sady misy tombatombaka
(lavadavaka)
- Mba hiarovana ny môsy amin’ny arena avy amin’ny olitra, dia alona ao anan’ny ranom-panafody
misy mankôzeba (fatra: 1 g ao anan’ny rano 1 litatra) ny faritra misy faka;
- Môsy efa tsy misy fonosanan no alona.

3- Fametrahana ny môsy amin’ny kitapo plaska


- Apetraka mahitsy tsara anaty kitapo plaska
ny môsy;
- Fenoina harontany efa voaomana ny kitapo
plaska ary afatratra tsara;
- Apetraka amin’ny toerana maloka ny môsy
voavoly ao anan’ny kitapo plaska dia tondrahana
indroa isan’andro, ary karakaraina mandritra ny telo
volana ao amin’ny tanin-janakazo.
6
- Apetraka amin’ny toerana
maloka ny môsy tsy voavoly eo noho
eo, ary tondrahana. Tandremana tsy
hianjera;

V-
V Tanimboly
Ny lesy dia tokony ho volena amin’ny
N
ttany
a lemaka sy lonaka ary tsy azon-
drano;
d

Raha toerana misolampy (tanety) no


R
aanaovana ny fambolena dia tokony
hasiana tata-drano manodidina ny
h
llava-kazo
a tsirairay;
7

VI- Fikarakarana ny tany


1- Famafarana
(défrichement)
Rehefa voafidy ny tany hovolena
lesy dia miroso amin’ny famafarana
azy amin’ny fampiasana boriziny, na
antsibe maranitra;

2- Fanaovana tsatokazo
(piquetage)
Ny tsatokazo dia tokony hiovaova
arakaraka ny toerana hambolena:

Raha lemaka sy lonaka tsy azon-drano


ilay tany hovolena dia mielanelana 10
m hatrany ny piké, ary asiana piké iray
eo amin’ny fihaonan’ny savaivo, izany
hoe piké 200/ha.
8
Raha tany lonaka misolampy dia 10 m
hatrany ny elanelan’ny piké. Izany hoe
100 piké /ha;

Raha tany fasehana kosa dia 12


metatra ny elanelan’ny piké, izany
hoe 80 piké /ha;

3- Fandavahana (Trouaison)

Atao 1 metatra toratelo (1m3) ny


haben’ny lavaka;
9
Mandritra ny fandavahana dia
atokana ny ranontany 50 sm
voalohany;

Atokana ny ranontany 50 sm faharoa


ary afangaro tsara amin’ny zezi-
pahitra na kaompôsta 20 kilao
raha tany lonaka, ary zezi-pahitra
na kaompôsta 60 kilao raha tany
fasehana;

VI- Fanotofana (rebouchage)

Ilay ranontany 50 sm
voalohany no arotsaka aloha anaty
lavaka;
10
Ilay tany 50 sm faharoa
izay avy nafangaro zezi-pahitra na
kaompôsta no arotsaka amin’ny
farany ambony, izany fanotofana izany
dia tokony hatao iray volana mialoha
ny fambolena.

VII- FAMBOLENA (Plantaon)

Ny maraina na ny hariva mody


masoandro ihany no anaovana ny
fambolena na ny fampitsatohana ny
môsy ao anaty lavaka.
11
Mandritra ny fambolena:

loarana antonon’ny haben’ny


môsy eo afovoan’ny tototra efa
voaomana;

Esorina moramora amin’ny


antsy maranitra ny vodin’ny kitapo
plaska;

Apetraka ao anaty lavaka ny


môsy;
Silahina ny fonony;
12
Tsoahina moramora ilay
kitapo plaska mba tsy hiparitaka ny
tany;

Totofana ny fototra.;
Afatratra tsara amin’ny tànana
ny dongon-tany;
Tondrahana ny lesy voavoly.
13
Tondrahana ny lesy voavoly;

Fadio ny fanotofana lavaka


tsy misy dongon-tany fa manjary
manangon-drano;
14
Rehefa voavoly ny zana-kazo dia tsara
raha asiana fefy manodidina mba
hiarovana azy amin’ny biby fiompy
isan-karazany;
Asiana alokaloka koa mba hiarovana
azy amin’ny masoandro.

VIII- Fikarakarana(entreen)

Fafarana tsara ny roa metatra


manodidina ny zana-kazo mba
hiarovana azy amin’ny doro-tanety;

Azo atao koa ny manadio ny


manodidina amin’ny fanongotana
ny ahitra mpitsetsitra ny sakafon’ny
voly;
15
Avy eo rakofana antontam-bozaka
na ahitra manodidina ny fotony mba
hiarovana azy amin’ny masoandro sy
hitazonana hamandoana;

Azo asiana alokaloka toy ny sary eo


ambany koa ny zana-kazo mandritra
ny hain-tany mba hanamorana ny
faniriny;

Mandritra ny telo taona voalohany


dia asiana zezi-pahitra na kaompôsta
dimy kilao eo ho eo isam-pototra,
indray mandeha isan’enimbolana
farafahakeliny ny zanakazo;
16
Kapaina sy diovina tanteraka
manaraka ny andavany ny zanakazo;
Tsy avela hisy zava-maniry hafa eo
amin’ny manodidina ny zanakazo;

Mandritra ny roa taona voalohany dia


rantsanana ny zanakazo;
Kendrena ho sampana telo na efatra
mifandanja tsara no avela mba
hahazoany endrika mahitsy;

Raha toa ka mamelana ny zana-boly


ao anan’ny telo taona voalohany, dia
tsy maintsy esorina amin’ny hem-
boly izany;
17
Rantsànana tsy avela haniry
hihoapampana ny hazo;
Hetezana mba hakarakara tsara ho
afaka hidiran’ny tanamasonadro;
Atao isaky ny 3 na 4 taona fara
fahakeliny;

Tsy mahatanty ny tsy fahampian-drano mandritra ny fotoana fitomboany ny


hazo, indrindra mandritra ny fotoana fitomboan’ny voa, noho izany dia ampiasaina
izay fomba fanondrahana rehetra azo atao. Ohatra: fampiasana tavoahangy plaska
asiana rano, loahana ny sarony dia atsatoka manodidina ny fototra lesy, soloina
rehefa ritra ny rano ao amin’ny tavoangy (irrigaon goue à goue).
Esorina ny ratsana maina sy izay manelingelina ny fidiran’ny taramasoandro
hipaka amin’ny ravina rehetra.
Tsara ny mitondra zezika aorian’ny fisangorana ny vokatra mba hanatsarana
ny vokatra manaraka. Somary alevina 3 -5 sm manodidina ny fototra tandrifin’ny
tendro faran’ny sampana. Amin’ny fifaranan’ny taom-pahavaratra no tsara
hitondrana azy, ka zezika urée 100 g sy NPK 200 g no enna isam-potony, afangaro
zezi-pahitra na kaompôsta 20 kg.
Mandritra ny famelanana, izany hoe amin’ny volana jolay, dia tsara ihany koa
ny mitondra zezika mba ahazoana voa tsara sy vaventy. Mitovy amin’ny teo aloha
ihany ny fatra sy ny fomba fitondrana azy.

IX. Fisangorana (récolte)


Fantaro tsara ny lesy tokony
sangorina:

Tokony ho lesy maventy (28-30 mm),


mamy tsara, fotsy avadika;
18
Omano mialoha ny fitaovana ilaina
amin’ny fisangorana letisy: garaba,
tady, kesika,...

Ravinala madio tsara vao avy


notapahina no ampiasao;

Sangorina vao maraina ny lesy;


Raha voatery hanapaka sampan-
kazo mandritra ny fisangorana dia
mampiasà fitaovana ilaina amin’izany:
tsofa, hem-boly;
19
Fadio ny mandatsaka ny letisy
amin’ny tany satria mety ho vaky na
koa maloto;

Raha avy ny orana amin’ny alina dia


tsy azo sangorina ny letisy raha tsy
efa maina tsara satria mety hanimba
ny kalitaony;
Ny letisy mando dia tsy azo aondrana
any ivelany.

IX- Fitangozana (triage)

- Tokony hanasa tanana madio


amin’ny savony ny olona hikirakira
ny letisy, indrindra rehefa avy any
amin’ny WC;
20
Tokony ho tsihy madio tsara no
ampiasaina amin’ny fitangozana;
Tsy maintsy hamelana pikony kely ny
lesy;

Fadina ny mihinana lesy mandritra


ny fotoam-piasana, fa mandoto ny
vokatra;
Mitarika lalitra isan-karazany;

Fadina ny mametraka ny garaba


amin’ny tany;
21
Arovy amin’ny masoandro ny
garaban’ny lesy mandritra ny
fisangorana mialoha ny hametrahana
azy any amin’ny toerana maloka efa
voaomana.

X- Ny arena sy ny biby mpanimba voly

Arena

Maro dia maro ireo trangan’arena sy bibikely mety ho hita amin’ny


fototra le[Link]onany ihany ireto tanisaina manaraka ireto:
Anthracnose (Colletotrichum gloeosporoides)

Cephaleuros mycoides, Cephaleuros virescens


22
Bibikely
Erinose, acarien (Aceria litchii)

Charançon (Cratopus angustatus):


Andretra

"Tordeuse"n’ny lesy (Cryptophloebia


peltasca ombrodelta)- Sary n°56
23
Vitsika mena (Oecophilla smaragdina)

Ho fiarovana amin’ny vitsika mena dia


hosorana la chaux ny fototra alo-
han’ny fiforonan’ny voa

Olitra mihinana hodi-kazo (Salagena


sp.)

Arovana amin’ny bibikely mpanimba voly ny fototra tsirairay. Raha tsy dia maro loatra ny biby mpandrava
na tsy dia mihanaka loatra ny arena dia azo atao ny manala azy ireo amin’ny tanana. Raha maro loatra
kosa anefa ny biby, na mirongatra loatra ny arena dia tsara raha mampiasa fanafody simika.
Alohan’ny hampiasana fanafody dia tsara raha manantona haingana tompon’andraikitra za-draharaha.
Izany no atao mba hahafantarana ny olana mitranga sy hahafahana mampiasa fanafody mifanaraka amin’ny
trangan-javatra miseho.
Ankoatra ireo arena sy bibikely voatanisa teo aloha ireo dia manan-pahavalo hafa ihany koa ny lesy:
- Ny olona izay mangalatra amin’ny fotoana fahmasahan’ny lesy. Azo atao ny miambina ny fototra
lesy mba hiarovana ny mpangalatra. Azo atao koa ny mametraka ny kara-pamokarana isaky ny mpamboly.
- Ny voalavo, ny fanihy sy ny ramanavy, ny boloky (boeza), ny goaika na ny maritaina koa dia tena
manimba ny vokatra amin’ny ampahany betsaka. Azo atao ny mampiasa poizim-boalavona na vovom-
boalavo. Mametraka fitaovana madinidinika toy ny fiambenana ny fody mba hiadiana amin’ny karazam-
borona manimba.
24
XI- Vokatra (producvité)
Raha arahina tsara ireo fepetra ireo dia azo antoka fa hitondra fahombiazana sy vokatsoa ho anao ny fambo-
lena letisy.

Mandritra ny efatra taona voalohany, izany hoe eo amin’ny faha efa-taonany dia mahatratra 30 kilao isaky
ny fototra no vokatra azo, izany hoe raha 200 fototra izany no zanakazo isan-hekitara dia mahazo 6000
kilao na 6 t amin’ny hekitara iray. Ny hazo efa lehibe dia mety mahatratra hatrany amin’ny 100 kilao isam-
pototra, iany hoe mahazo 10 000 kilao na 10 t amin’ny hekitara iray.

XII- Fotoam-pambolena

Sept Okt Nov Des Jan Feb Mar Apr May Jona Jol Aog
Fiotazana

Fikarakarana ny voly

Fitindrana zezika

Fanaovana môsy, fikarakarana zanakazo, fambolena


Môsy Faka Pepiniera
Fambolena

XIII- Teknolojiam-panodinana sy fitahirizana


Noho ny letisy mora samba dia tsy azo tehirizina amin’izao izy fa tsy maintsy mampiasa fomba hafa raha te
hitahiry azy maharitra. Ireto misy fomba vitsivitsy azo ampiasaina:

1- Fanodinana azy ho konfitira. Matetika dia ny vokatra izay efa tsy lafo no avadika ho kontitira;
2- Fanamainana ny voan’ny letisy: Somary ampangotrahana kely ny letisy vao hamainina, rehefa maina
tsara, dia atao anaty gony madio mba ho azo tahirizina sy ary tena ankafizin’ny mpihinana satria mamy
tsara.
3- Fanodinana azy ho ranom-boakaza, toaka gasy, betsabetsa, liqueur....

XIV- Kaonm-pamokarana
Efatra taona voalohany:
- Vokatra isa-potony: 30 kg;
- Marihina fa ny tany 1 ha dia ahitana 200 fototra
Ny kaontim-pamokarana omena eto dia izay manaraka an’ity fisy teknika ity, fa tsy ny voly nentin-drazana.
25
Vola mivoaka Vola miditra
Antony Kajy Sora- Antony Kajy Sora-
bola(Ariary) bola(Ariary)

Manao môsy 200 môsy/ 7 000 Vidin’ny letisy 5400 kilao x 1 620 000
ha/60 môsy/ (6% ny tahan’ny 300 Ar =1 620
andro x 2000 letisy tsy azo 000
= 3,5 x 2000= amidy )
7000
Fanapahana môsy 2000 2 000
Fametrahana môsy 4000 4 000
ao anaty kitapo
plastika
Manondraka 2000 x 90 180 000
andro= 180
000
Miady lavaka sy 33 andro x 66 000
mampifangaro 2000= 66000
zezika
Mametraka rakotra 04 andro x 8 000
2000= 8 000
Mitatitra zezika sy 500 Ar x 200 100 000
mamboly môsy = 100
000
Manao alokaloka 10 andro x 20 000
2000= 20 000
Fanampiana zezika 10 andro x 20 000
2000=20 000
Fandratsanana 2 7 andro x 14 000
taona aorian’ny 2000= 14 000
fambolena
Manala felana 7 andro x 14 000
amin’ny faha-telo 2000=14 000
taona
Fandratsanana taho 20 andro x 40 000
2000=40 000
Fisangorana 5000 x 20 100 000
hj=100 000
Triage 3000 x 60 180 000
hj=180 000
Helitra 800 ar x 36 28 000
helitra= 28 800
Ravinala 40 000 40 000
Tombom-barotra 796 200 796 200
TOTALINY 823 000 TOTALINY 1 1 620 000
26
Kaom-pamokarana (manomboka faha dimy taona: rendement/pied: 100 kilao; 200 pieds/
ha)

Vola mivoaka Vola miditra


Antony Kajy Sora- Antony Kajy Sora-
bola(Ariary) bola(Ariary)
Manondraka 2000 x 90 180 000 Vidin’ny letisy 18 000 kilao x 300 5 400 000
andro (6% ny tahan’ny Ar
letisy tsy azo
amidy )
Fanampiana 10 andro x 2000 20 000
zezika
Fandratsa- 20 andro x 2000 40 000
nana taho
Fisangorana 5000 x 200hj 1 000 000
Triage 3000 x 200 hj 600 000
Helitra 800 ar x 70 56 800
helitra
Ravinala 70 000
Tombom-ba- 3 433 200
rotra
TOTALINY 1 966 800 TOTALINY 5 400 000
27
28

Vous aimerez peut-être aussi