MADELEINE
ZAVATRA ILAINA: FITAOVANA ILAINA:
Farine: 250g na 10 sotro feno tsara Koveta kely 2 isa
Levure chimique: ½ sachet Spatule en bois
Siramamy: 100g na 4 sotro feno tsara Fouet spiral, fouet
Atody: 3 Pinceau + bol kely
Beurre : 125 g Moules madeleine
Yaourt : 1 pot Four (charbon na élèctrique na gaz)
Parfum: izay tiana Tamie
Fomba fanamboarana azy:
atao ao anaty koveta kely iray ny beurre 125 g .
Arotsaka ny siramamy 100 g na 4 sotro feno tsara.
Kapohina @ fouet hifangaro tsara.
Arotsaka tsikelikely ny jaune d’oeuf sady kapohina ihany, ny blanc d’oeuf kosa atao ao anaty
koveta hafa.
Arotsaka ny farine 250g na 10 sotro feno tsara sy ny levure chimique ½ sachet ka sivanina @
tamie rehefa mandrotsaka azy .
Afangaro @ fouet fa tsy kapohina intsony.
Arotsaka ny yaourt 1 pot. Afangaro @ fouet hatrany fa tsy kapohiny intsony.
Arotsaka ny blanc d’oeuf, afangaro moramora @ fouet fa tsy azo kapohina intsony , dia
mahazo paty madeleine .
Apetraka @ toerana antonony ny hafanana mandritran’ny 1 ora any ho any saronana lamba
ny koveta misy azy.
Atao ao anaty moule madeleine efa nasiana menaka.
Atsofoka ao anaty four efa nafanaina 5 mn mialoha, 180º c ny hafanany, afo ambony sy
ambany, 20mn ka h@ 30 mn eo eo miankina @’ny hateviny sy habean’ny madeleine .
Rehefa dorée dia tsindronina @ ny tahona brochette ka rehefa tsisy paty manaraka intsony
dia masaka.
Avoaka avy ao anaty four .
Démouler na alana ao anaty moule.
Hampangatsiahina eo ambonin’ny grille.
madeleine au choco : Soloina cacao ny atsasakin’ny farine ampiasaina, tsisy miova ny fanamboarana
azy.
madeleine marbré : manamboatra patin’ny madeleine sy patin’ny madeleine au choco, atao
mifandimby rehefa mampiditra azy ao anaty moule.
madeleine aux raisins : manamboatra patin’ny madeleine , alona ao anaty rhum na ranon-tsiramamy
ny raisins secs, araraka ao anatin’ilay paty avy eo asiana raisins secs efa avy nalona, afangaro.
madeleine au lait : soloina ronono ny yaourt ,atao mitovy @ yaourt ny fatrany ihany koa .
madeleine au fruit : manamboatra madeleine , soloina fruit mixer ny yaourt na koa asiana voankazo
efa voatetika fotsiny eo amboniny indrindra.