RATSIMBA NY DINA Hariniaina
FICHE AUTEUR – Siméon Régis Rajaona
Mombamomba azy
- Anarana feno : Siméon Régis Rajaona
- Teraka : 18 febroary 1926, Antananarivo
- Maty : 23 jona 2013
- Ray : Jean François Régis RajaonaI
Fanabeazana sy fitomboana
1. Fanabeazana avy amin’ny ray aman-dreny
Nampianarina ny fahamarinana, ny fanetren-tena, ny fanomezana ny tsara indrindra
Nifampiresaka tamin’ny fiteny malagasy tao an-trano, saingy nianatra frantsay koa tao an-trano
Lahiaivo izy, nikarakara ny zandriny → be adidy sy mpitarika kely tao an-tokantrano
Nanana finoana lalina an’Andriamanitra
Soatoavina lehibe: fahavononana, fahamarinana, fanetren-tena, fahalavorariana
2. Fanabeazana ara-batana sy ara-panahy
Mpiahy, hentitra, fa koa mampiala voly ny fianakaviany
Nanosika ny zaza hianatra mafy sy hitady ny tsara indrindra amin’izay sokajy fianarana rehetra
Nampiroborobo ny fisokafan-tsaina sy ny interculturalité na kolontsaina maro lafy
Nampianatra ny zanaka ho mpandray anjara amin’ny firenena sy ny asa miasa eto an-
tanindrazana
3. Soatoavina ho an’ny taranaka
Fahalavorariana amin’ny asa rehetra
- Fahendrena sy faharetana
- Fahamarinana sy fanetren-tena
- Fihavanana sy fitiavana tanindrazana
- Fisokafana amin’ny kolontsaina sy firenena hafa
- Finoana lalina an’Andriamanitra → fiadanana sy hafaliana
II – Asa sy fikarohana
- Mpandinika lalina sy tia ny teny malagasy
- Tia mamaky boky sy miasa amin’ny fomba hentitra
- Tsy mety amin’ny asa atao eo no eo → tiany ho hay tsara ny “principe” sy “concept”
- Tsy tia zavatra hadalana, fa tia zavatra mampiasa saina → siantifika sy mpandini-tena
- Fanazaran-tena isan’andro amin’ny fampiasana saina → mitovy amin’ny fanatanjahan-
tena
Politikan’ny teny: fantany ny tenim-paritra
Mandinika, mikaroka, miezaka hahatakatra lalina
III – Parcours akademika
Profesora tao amin’ny Université d’Antananarivo
Doyen voalohany malagasy tao amin’ny Faculté des Lettres et Sciences Humaines (1972)
Tale tao amin’ny Centre d’Études de la Langue et Civilisation Malgaches
Doctorat d’État (Sorbonne)
Mpanjifa ao amin’ny Académie malgache
IV – Domaine sy fandraisana anjara
Linguistique malgache: morphologie, syntaxe, structure de la pensée
Fanabeazana sy famelomana ny soatoavina malagasy
Famoronana sy fandrindrana ny fahalalana ho an’ny taranaka
Asa lehibe:Essai d’analyse de la structure de la pensée malgache (1959)
Takaleka notsongaina (1962–1963)
Structure du malgache : étude des formes prédicatives (1972)
Problèmes de morphologie malgache (1977)V – Fandinihana sy SIC
Ny teny dia fitaovana famoronana sy fandrafetana ny fomba fisainana, tsy fitaovana fotsiny
amin’ny fifandraisana
Mpandray anjara amin’ny famindrana kolontsaina → mamerina, mandrindra, mampita
fahalalana
Mandray anjara amin’ny fanabeazana sy fikarohana any Madagasikara
Ao anatin’ny toe-javatra postcolonial, manampy amin’ny fahafantarana sy fanamafisana ny
maha-malagasy sy ny soatoavina
Mampiseho fa ny asa ara-tsaina hentitra sy ny fanazaran-tena dia manomana ny taranaka ho avy
VI – Fehezam-pitenenana ho an’ny dissertation
Ny asa soratr’i Siméon Rajaona dia manasongadina ny fifandraisan’ny teny, ny fomba fisainana
ary ny kolontsaina.
Asehony fa ny teny dia tsy fitaovana fifandraisana fotsiny fa rafitra iray manampy amin’ny
fanorenana ny fiaraha-monina.
Rajaona dia mpandray anjara amin’ny famindrana kolontsaina, mamorona, mandrindra ary
mampita fahalalana malagasy.
Ny asany dia mihoatra ny linguistika ka manampy amin’ny fanamafisana ny maha-malagasy sy
fanabeazana ny taranaka ho avy.
Na izany aza, ny fomba akademika lalina ataony dia mety hahatonga ny fahatakarana ho sarotra
ho an’ny besinimaro.